2 Chronicles 14:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Namely ny tanàna rehetra manodidina an’i Gerara izy; voan’ny fahatahorana NY TOMPO ireo ka nobaboin-dry Asa ny tanàna rehetra, fa be ny babo tao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nasiany avokoa ny tanàna manodidina an’i Gerara, fa azon’ny fahatahorana an’i Iaveh ireo, ka nobaboiny ny tanàna rehetra, fa babo be dia be no tao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nasian’ny tafik’i Asà koa ny tanàna rehetra manodidina an’i Gerara, satria nataon’ny TOMPO voagejan’ny horohoro ireo; dia norobain’ny tafik’i Asà avokoa ny tanàna, ka nahazoany babo betsaka.
Malagasy Bible 1865
Ary namely ny tanàna rehetra manodidina an'i Gerara izy; fa ny fahatahorana an'i Jehovah nahazo ireo, ka nobaboiny ny tanana rehetra, fa be ny babo tao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Namely ny tanàna rehetra manodidina an’i Gerara izy; voan’ny fahatahorana NY TOMPO ireo ka nobaboin-dry Asa ny tanàna rehetra, fa be ny babo tao.
malagasy
Ary namely ny tanàna rehetra manodidina an'i Gerara izy; fa ny fahatahorana an'i Jehovah nahazo ireo, ka nobaboiny ny tanana rehetra, fa be ny babo tao.Ary namely ny vala izy ka nahazo babo betsaka, dia ondry aman'osy sy rameva, ary dia niverina ho any Jerosalema izy.