2 Chronicles 14:4 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nandrava ny toerana fanaovana sorona sy ny toerana fandoroana ditin-kazo manitra teny amin’ny tanànan’ny Joda rehetra koa izy, dia nandry fehizay ny fanjakana teo anatrehany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nesoriny ny fitoerana avo sy ny sariolona, teo amin’ny tanànan’i Jodà rehetra, ka dia nandry feizay ny fanjakana teo anatrehany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Noravan’i Asà ny toeram-panasinana sy ny alitara fandoroana vovo-javamanitra teny amin’ny tanàna rehetra manerana an’i Joda; ka nandry feizay ny fanjakana nandritra ny fitondrany.
Malagasy Bible 1865
Ary nandrava ny fitoerana avo sy ny tsangan-kazo ho an'ny masoandro teny amin'ny tanànan'ny Joda rehetra izy; dia nandry fahizay ny fanjakana teo anatrehany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nandrava ny toerana fanaovana sorona sy ny toerana fandoroana ditin-kazo manitra teny amin’ny tanànan’ny Joda rehetra koa izy, dia nandry fehizay ny fanjakana teo anatrehany.
malagasy
Ary nandrava ny fitoerana avo sy ny tsangan-kazo ho an'ny masoandro teny amin'ny tanànan'ny Joda rehetra izy; dia nandry fahizay ny fanjakana teo anatrehany.[Na: tsangam-bato]