2 Chronicles 15:12 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nanao fanekena hitady NY TOMPO, Andriamanitry ny razany, tamin’ny fony manontolo sy ny fanahiny manontolo izy;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nametra-teny ampahibemaso izy ireo fa hitady an’i Iaveh Andriamanitry ny razany amin’ny fony rehetra sy amin’ny fanahiny rehetra;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary nanao ny fanekempihavanana ny besinimaro fa samy vonon-kitady ny TOMPO Andriamanitry ny razany amin’ny fony manontolo sy amin’ny fanahiny manontolo;
Malagasy Bible 1865
Ary nanao fanekena hitady an'i Jehovah, Andriamanitry ny razany, tamin'ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra izy,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nanao fanekena hitady NY TOMPO, Andriamanitry ny razany, tamin’ny fony manontolo sy ny fanahiny manontolo izy;
malagasy
Ary nanao fanekena hitady an'i Jehovah, Andriamanitry ny razany, tamin'ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra izy,