2 Chronicles 15:16 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary na dia Imaka, renin’i Asa mpanjaka, aza dia naetriny tsy ho andriambavy satria nanangana sampy ho an’ny Aseraha izy; ary nikapa ny sampiny i Asa dia nanorotoro izany ka nandoro azy tao amin’ny lohasahan-driaka Kidrona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka i Maakà reniny aza, dia naongan’i Asà mpanjaka, tamin’ny fiandrianany amin’ny maha-renin’Andriamanjaka azy, noho izy nanao sampy vetaveta ho an’i Astarte. Nazeran’i Asà ny sampiny rehetra dia notorotoroiny ho vovoka sy nodorany tao an-dranon-driaka Sedrôna.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Na dia i Mahekà reniben’i Asà aza dia naetrin’ity mpanjaka tsy ho andriambavy intsony, noho izy efa nanao sarivongan-tsampin’i Aserà. Noravan’i Asà io sampy io, dia nomontsamontsaniny ary nodorany tao amin’ny lohasahan-driaka Kidrôna.
Malagasy Bible 1865
Ary na dia Imaka, renin'i Asa mpanjaka, aza dia naetriny tsy ho andriambavy, satria efa nanao sampy ho an'ny Aseraha izy; ary Asa nikapa ny sampiny, dia nanorotoro ka nandoro azy tao amin'ny lohasahan-driaka Kidrona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary na dia Imaka, renin’i Asa mpanjaka, aza dia naetriny tsy ho andriambavy satria nanangana sampy ho an’ny Aseraha* izy; ary nikapa ny sampiny i Asa dia nanorotoro izany ka nandoro azy tao amin’ny lohasahan-driaka Kidrona.
malagasy
Ary na dia Imaka, renin'i Asa mpanjaka, aza dia naetriny tsy ho andriambavy, satria efa nanao sampy ho an'ny Aseraha izy; ary Asa nikapa ny sampiny, dia nanorotoro ka nandoro azy tao amin'ny lohasahan-driaka Kidrona.