2 Chronicles 15:18 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nampidiriny ho ao amin’ny tranon’NY TOMPO ny zavatra izay nohamasinin’ny rainy mbamin’izay nohamasinin’ny tenany, dia volafotsy sy volamena ary fanaka.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Napetrany tao an-tranon’i Iaveh ny zavatra nohamasinin-drainy sy ny zavatra nohamasinin’ny tenany, dia volafotsy amana volamena ary kapoaka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nampidiriny ho ao an-tranon’ny Tompo ireo zavatra voatokan-drainy sy voatokan’ny tenany, dia volafotsy sy volamena ary fanaka.
Malagasy Bible 1865
Ary nampidiriny ho ao an-tranon'i Jehovah ny zavatra izay nohamasinin-drainy mbamin'izay nohamasinin'ny tenany, dia volafotsy sy volamena ary fanaka.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nampidiriny ho ao amin’ny tranon’NY TOMPO ny zavatra izay nohamasinin’ny rainy mbamin’izay nohamasinin’ny tenany, dia volafotsy sy volamena ary fanaka.
malagasy
Ary nampidiriny ho ao an-tranon'i Jehovah ny zavatra izay nohamasinin-drainy mbamin'izay nohamasinin'ny tenany, dia volafotsy sy volamena ary fanaka.Ary tsy nisy ady intsony hatramin'ny taona fahadimy amby telo-polo nanjakan'i Asa.