2 Chronicles 15:2 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
nandeha hitsena an’i Asa izy ka niteny taminy hoe: Mihainoa ahy, ry Asa mbamin’ny Joda sy ny Benjamina rehetra: Momba anareo NY TOMPO raha momba Azy ianareo; ary raha mitady Azy ianareo dia hahita Azy; fa raha mahafoy Azy kosa ianareo dia hahafoy anareo Izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ka nandeha nitsena an’i Asà izy, sy nilaza taminy hoe: «Mihainoa ahy, ry Asà, mbaminareo Jodà sy Benjamina rehetra. Momba anareo i Iaveh raha momba azy ianareo; raha mitady Azy ianareo, dia hety ho hitanareo Izy, fa raha mahafoy Azy kosa ianareo, dia mba hahafoy anareo koa Izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ka niainga hitsena an’i Asà izy ary nanao taminy hoe: –Mihainoa ahy, ry Asà mbaminareo Jodeanina sy i Benjaminita rehetra. Miaraka aminareo ny TOMPO, raha miaraka aminy ianareo. Raha mitady Azy ianareo, dia hahita Azy; fa raha mandao Azy ianareo, dia hilaozany.
Malagasy Bible 1865
ary dia nivoaka hitsena an'i Asa izy ka nanao taminy hoe: Mihainoa ahy, ry Asa mbamin'ny Joda sy ny Benjamina rehetra: Jehovah momba anareo, raha ianareo momba Azy; ary raha mitady Azy kosa ianareo, dia hahita Azy; fa raha mahafoy Azy ianareo, dia hahafoy anareo Izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
nandeha hitsena an’i Asa izy ka niteny taminy hoe: Mihainoa ahy, ry Asa mbamin’ny Joda sy ny Benjamina rehetra: Momba anareo NY TOMPO raha momba Azy ianareo; ary raha mitady Azy ianareo dia hahita Azy; fa raha mahafoy Azy kosa ianareo dia hahafoy anareo Izy.
malagasy