2 Chronicles 15:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony ren’i Asa izany teny izany sy ny faminanian’i Odeda mpaminany dia niezaka izy ka nanaisotra ny sampy fahavetavetana tamin’ny tanin’i Joda sy i Benjamina rehetra ary tamin’ny tanàna izay azony tany amin’ny tany be havoana any Efraima; nohavaoziny koa ny alitaran’NY TOMPO izay teo anoloan’ny lalantsara fidirana amin’ny tranon’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony nandre izany teny izany, dia ny faminanian’i Obeda mpaminany, i Asà, dia nihenjana, ka nesoriny avokoa ny fahavetavetana rehetra tamin’ny tanin’i Jodà sy i Benjamina ary ny tanàna azony tany amin’ny tendrombohitr’i Efraima, sady nohavaoziny ny ôtelin’i Iaveh teo anoloan’ny alo-baravaran’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa ren’i Asà izany teny izany na hoe ny faminanian’i Hazarià mpaminany zanakalahin’i Hôdeda, dia nihasahy izy ka nanaisotra ny sampy tamin’ny faritanin’i Joda sy i Benjamîna manontolo ary tamin’ny tanàna izay azony tany amin’ny faritra be tendrombohitra any Efraîma. Avy eo dia nohavaoziny ny alitara n’ny TOMPO, izay teo anoloan’ny fidirana amin’ny tranon’ny TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Ary raha ren'i Asa izany teny izany sy ny faminanian'i Odeda mpaminany, dia niezaka izy ka nanaisotra ny sampy fahavetavetana tamin'ny tanin'ny Joda sy ny Benjamina rehetra ary tamin'ny tanàna izay azony tany amin'ny tany havoan'i Efraima, sady nanavao ny alitaran'i Jehovah izay teo anoloan'ny lavarangana fidirana amin'ny tranon'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony ren’i Asa izany teny izany sy ny faminanian’i Odeda mpaminany dia niezaka izy ka nanaisotra ny sampy fahavetavetana tamin’ny tanin’i Joda sy i Benjamina rehetra ary tamin’ny tanàna izay azony tany amin’ny tany be havoana any Efraima; nohavaoziny koa ny alitaran’NY TOMPO izay teo anoloan’ny lalantsara fidirana amin’ny tranon’NY TOMPO.
malagasy