2 Chronicles 16:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’ny taona fahenina amby telopolo nanjakan’i Asa dia niakatra hamely ny Joda i Basa, mpanjakan’ny Israely, ka nanamboatra an’i Rama mba tsy hisy hahazoan’i Asa, mpanjakan’i Joda, hivoaka na hiditra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’ny taona faha-36 nanjakan’i Asà dia niakatra hamely an’i Jodà, i Baasà mpanjakan’i Israely, ka naoriny i Ramà mba hisakana ny olon’i Asà tsy hahazo mivoaka sy miditra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’ny taona faha-36 nanjakàn’i Asà, dia niakatra hanafika ny tanin’i Joda i Bahasà mpanjakan’i Israely ka nanamafy ny tanànan’i Ramà izy mba hisakanan-dalana an’i Asà mpanjakan’i Joda.
Malagasy Bible 1865
Tamin'ny taona fahenina amby telo-polo nanjakan'i Asa dia niakatra Basa, mpanjakan'ny Isiraely, hamely ny Joda, ka nanamboatra an'i Rama izy mba tsy hisy hahazo hivoaka na hiditra ho an'i Asa, mpanjakan'ny Joda.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’ny taona fahenina amby telopolo nanjakan’i Asa dia niakatra hamely ny Joda i Basa, mpanjakan’ny Israely, ka nanamboatra an’i Rama mba tsy hisy hahazoan’i Asa, mpanjakan’i Joda, hivoaka na hiditra.
malagasy
[Ny nanambazan'i Asa an'i Beni-hadada, mpanjakan'i Syria, hanampy azy hiady amin'i Basa, mpanjakan'ny Isiraely, sy ny nananaran'i Sanany mpaminany azy noho izany, ary ny nahafatesan'i Asa] Tamin'ny taona fahenina amby telo-polo nanjakan'i Asa dia niakatra Basa, mpanjakan'ny Isiraely, hamely ny Joda, ka nanamboatra an'i Rama izy mba tsy hisy hahazo hivoaka na hiditra ho an'i Asa, mpanjakan'ny Joda.