2 Chronicles 16:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’ny taona fahasivy amby telopolo nanjakan’i Asa dia narary tamin’ny tongony izy ka nihamafy indrindra ny aretiny; nefa na dia narary aza izy dia tsy nitady NY TOMPO fa ny mpitsabo ihany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’ny taona faha-39 nanjakan’i Asà, narary tongotra izy, ary tsaroany naharary azy mafy izany. Tsy i Iaveh anefa no notadiaviny, na dia tamin’izany aretiny izany aza, fa ny mpanao fanafody.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’ny taona faha-39 nanjakàn’i Asà, dia narary mafy tamin’ny tongony izy; kanefa, na niharan’aretina aza izy, dia tsy nitady vonjy tamin’ny TOMPO fa tamin’ny mpitsabo ihany.
Malagasy Bible 1865
Tamin'ny taona fahasivy amby telo-polo nanjakan'i Asa dia narary tamin'ny tongony izy, ka nihamafy indrindra ny aretiny; nefa na dia narary aza izy, dia tsy nitady an'i Jehovah, fa ny mpanao fanafody ihany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’ny taona fahasivy amby telopolo nanjakan’i Asa dia narary tamin’ny tongony izy ka nihamafy indrindra ny aretiny; nefa na dia narary aza izy dia tsy nitady NY TOMPO fa ny mpitsabo ihany.
malagasy