2 Chronicles 16:14 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nalevina tao amin’ny fasany ihany izy, izay nolavahany tao an-Tanànan’i Davida ka nampandriana teo amin’ny fandriana efa nofenoina zavamanitra samihafa voaharoharo araka ny fanaon’ny mpanao haro manitra, sady nandoroany zavatra betsaka ho fisaonana azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nalevina tao amin’ny fasana nolavahany ho an’ny tenany, ao an-tanànan’i Davida izy; ary nampandriana tamin’ny farafara nofenoina zava-manitra sy zava-tsara fofona voavoatra araka ny fahaizan’ny mpahay zava-manitra, ary be dia be no zava-manitra nodorana koa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
dia nalevina tao amin’ny fasana izay nolavahany tao an- Tanànan’i Davida. Nampandrina teo amin’ny fandriana efa nofenoina zava-manitra samy hafa araka ny fanaon’ny mpiangaly an’izany izy, ary mbola nandorana zava-manitra betsaka ho fisaonana azy.
Malagasy Bible 1865
Dia nalevina tao amin'ny fasany ihany izy, izay nolavahany tao an-Tanànan'i Davida, ka nampandrina teo amin'ny fandriana efa nofenoina zava-manitra samy hafa voaharoharo araka ny fanaon'ny mpangaroharo zava-manitra, ary nandoroany zavatra betsaka ho fisaonana azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nalevina tao amin’ny fasany ihany izy, izay nolavahany tao an-Tanànan’i Davida ka nampandriana teo amin’ny fandriana efa nofenoina zavamanitra samihafa voaharoharo araka ny fanaon’ny mpanao haro manitra, sady nandoroany zavatra betsaka ho fisaonana azy.
malagasy