2 Chronicles 16:2 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Namoaka volafotsy sy volamena avy tao amin’ny efitrano fitahirizana tao amin’ny ny tranon’NY TOMPO sy avy tao amin’ny efitrano fitahirizana ao amin’ny tranon’ny mpanjaka i Asa dia nampanatitra azy tany amin’i Beny-Hadada, mpanjakan’i Arama, izay nitoetra tany Damaskosy ka nampilazainy hoe:
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia namoaka volafotsy sy volamena tao amin’ny rakitry ny tranon’i Iaveh sy ny tranon’ny mpanjaka i Asà, ka nandefa iraka ho any amin’i Ben-Hadada, mpanjakan’i Siria, izay nonina tany Damasa, hilaza hoe:
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa nangalan’i Asà volafotsy sy volamena ny raki-tsoa tao an-tranon’ny TOMPO sy tao an-dapan’ny mpanjaka; dia nalefany ho an’i Bena-Hadada mpanjakan’i Siria izay nipetraka tany Damasy izany sady nombany hafatra hoe:
Malagasy Bible 1865
Ary Asa namoaka volafotsy sy volamena avy tamin'ny rakitry ny tranon'i Jehovah sy ny tranon'ny mpanjaka, dia nampitondra azy tany amin'i Beni-hadada, mpanjakan'i Syria, izay nitoetra tany Damaskosy, ka nanao hoe:
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Namoaka volafotsy sy volamena avy tao amin’ny efitrano fitahirizana tao amin’ny ny tranon’NY TOMPO sy avy tao amin’ny efitrano fitahirizana ao amin’ny tranon’ny mpanjaka i Asa dia nampanatitra azy tany amin’i Beny-Hadada, mpanjakan’i Arama, izay nitoetra tany Damaskosy ka nampilazainy hoe:
malagasy