2 Chronicles 16:4 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nanaiky ny tenin’i Asa mpanjaka i Beny-Hadada ka naniraka ireo lehiben’ny miaramilany hamely ny tanànan’ny Israely; dia nandrava an’Iona sy i Dana sy i Abela-Maima ary ny trano fitahirizana rehetra izay teny amin’ny tanànan’ny Naftaly izy ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nohenoin’i Ben-Hadada, i Asà mpanjaka, ka nirahiny hamely ny tanànan’i Israely ny filohan’ny tafiny, dia noreseny i Ahiôna sy i Dana ary i Abela-Maima mbamin’ny tanàna fitahirizana rehetra teo amin’i Neftalì.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia neken’i Bena-Hadada ny tenin’i Asà mpanjaka; ary nirahiny ireo filohan-tafiny hamely ny tanànan’i Israely, ka dia nahazo an’i Hiôna sy i Dana ary i Abela-Maîma mbamin’ny tanàna rehetra tany Naftalỳ izay nisy trano fitahirizam-bokatra.
Malagasy Bible 1865
Ary Beni-hadada nanaiky ny tenin'i Asa mpanjaka ka naniraka ireo komandin'ny miaramilany hamely ny tanànan'ny Isiraely; dia nandrava an'Iona sy Dana sy Abela-maima ary ny trano fitehirizana rehetra izay teny amin'ny tanànan'ny Naftaly izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nanaiky ny tenin’i Asa mpanjaka i Beny-Hadada ka naniraka ireo lehiben’ny miaramilany hamely ny tanànan’ny Israely; dia nandrava an’Iona sy i Dana sy i Abela-Maima ary ny trano fitahirizana rehetra izay teny amin’ny tanànan’ny Naftaly izy ireo.
malagasy