2 Chronicles 16:8 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tsy marobe va ny Kosita sy ny Lobita, ary tsy marobe koa va ny kalesy fitondrany miady sy ny mpitaingin-tsoavaliny? Nefa noho ny niankinanao tamin’NY TOMPO dia natolony teo an-tananao ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Moa ny Etiôpianina sy ny Libianina va tsy mba tafika lehibe, nisy kalesy ama-mpitaingin-tsoavaly maro be? Nefa noho ianao niankina tamin’i Iaveh dia natolony teo an-tananao ireny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsy tafika marobe ve ny Etiôpianina sy ny Libianina ary tsy betsaka ve ny kalesiny ama-mpitaingin-tsoavaliny? Nefa noho ny niankinanao tamin’ny TOMPO, dia natolony teo an-tananao ireo.
Malagasy Bible 1865
Tsy maro be va ny Etiopiana sy ny Lobita, ary tsy maro be koa va ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoavaliny? Nefa noho ny niankinanao tamin'i Jehovah, dia natolony teo an-tananao ireo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tsy marobe va ny Kosita sy ny Lobita, ary tsy marobe koa va ny kalesy fitondrany miady sy ny mpitaingin-tsoavaliny? Nefa noho ny niankinanao tamin’NY TOMPO dia natolony teo an-tananao ireo.
malagasy
Tsy maro be va ny Etiopiana sy ny Lobita, ary tsy maro be koa va ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoavaliny? Nefa noho ny niankinanao tamin'i Jehovah, dia natolony teo an-tananao ireo.