2 Chronicles 16:9 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa ny mason’NY TOMPO dia mijery eny tontolo eny manerana ny tany rehetra, mba hisehoany amin-kery hamonjy izay manana fo mahitsy Aminy. Adala ianao tamin’izany ka hisy ady hahazo anao manomboka izao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa mitetitety ny tany rehetra ny mason’i Iaveh mba hanohanany an’izay miraiki-po aminy tokoa. Ka nanao toy ny adala ianao tamin’io raharaha io, fa amin’ny sisa dia hanana ady ianao.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa manopy maso ny tany tontolo ny TOMPO mba hanohana izay miraiki-po tanteraka aminy. Adala ianao tamin’io fihetsikao io, ka dia hisy ady hihatra aminao manomboka izao.
Malagasy Bible 1865
Fa ny mason'i Jehovah mijery eny tontolo eny eran'ny tany rehetra, mba hisehoany aman-kery hamonjy izay manana fo mahitsy aminy. Adala ianao tamin'izany, ka dia hisy ady hahazo anao hatramin'izao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa ny mason’NY TOMPO dia mijery eny tontolo eny manerana ny tany rehetra, mba hisehoany amin-kery hamonjy izay manana fo mahitsy Aminy. Adala ianao tamin’izany ka hisy ady hahazo anao manomboka izao.
malagasy
Fa ny mason'i Jehovah mijery eny tontolo eny eran'ny tany rehetra, mba hisehoany aman-kery hamonjy izay manana fo mahitsy aminy. Adala ianao tamin'izany, ka dia hisy ady hahazo anao hatramin'izao.