2 Chronicles 17:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nihanatoky tamin’ny lalan’NY TOMPO ny fony dia noravany tsy ho eo amin’ny Joda ny toerana fanaovana sorona sy ny tsangakazon-tsampy ho an’ny Aseraha.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nitombo ny herim-pony teo amin’ny lalan’i Iaveh, ka noravany koa ny fitoerana avo mbamin’ny aserah teo amin’i Jodà.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nandroso tamin’ny sori-dalan’ny TOMPO tokoa ny fony, hany ka nofoanany tsy ho eo amin’ny fanjakàn’i Joda ny toeram-panasinana sy ny tsatokazo fanajana an’i Aserà.
Malagasy Bible 1865
Ary ny fony nihanatoky tamin'ny lalan'i Jehovah. dia noravany tsy ho eo amin'ny Joda ny fitoerana avo sy ny Aseraha.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nihanatoky tamin’ny lalan’NY TOMPO ny fony dia noravany tsy ho eo amin’ny Joda ny toerana fanaovana sorona sy ny tsangakazon-tsampy ho an’ny Aseraha*.
malagasy
Ary ny fony nihanatoky tamin'ny lalan'i Jehovah. dia noravany tsy ho eo amin'ny Joda ny fitoerana avo sy ny Aseraha.