2 Chronicles 18:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nanana harena sy voninahitra be i Josafata; ary ny zanany lahy dia nampanambadiny ny zanakavavin’i Ahaba.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nanan-karena amam-boninahitra be i Jôsafata ary nanao fanambadiana izy nihavanany tamin’i Akaba.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nanan-karena sy voninahitra be i Jôsafata; ary ny zanany lahy dia nampanambadiany ny zanakavavin’i Ahaba mpanjakan’i Israely.
Malagasy Bible 1865
Ary Josafata nanana harena sy voninahitra be; ary ny zananilahy dia nampanambadiny ny zanakavavin'i Ahaba.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nanana harena sy voninahitra be i Josafata; ary ny zanany lahy dia nampanambadiny ny zanakavavin’i Ahaba.
malagasy
[Ny nikambanan'i Josafata sy Ahaba hiady tamin'ny Syriana sy ny nakany hevitra tamin'ny mpaminany, ary ny nahafatesan'i Ahaba, sy ny niverenan'i Josafata nankany Jerosalema] Ary Josafata nanana harena sy voninahitra be; ary ny zananilahy dia nampanambadiny ny zanakavavin'i Ahaba.