2 Chronicles 18:11 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny mpaminany rehetra koa dia naminany hoe: Mandehana ho any Ramota-Gileada dia hambinina ianao; fa hatolotry NY TOMPO eo an-tananao izy, ry mpanjaka.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny mpaminany rehetra koa samy naminany toy izany, ka nanao hoe: «Miakara any Ramôta any Galaada ka maharese, fa hatolotr’i Iaveh eo an-tanan’ny mpanjaka izany.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nilaza hafatra toy izany avokoa ny mpaminany rehetra teo ka nanao hoe: –Tafiho i Ramôta-Gilehada fa ho resinao, ry mpanjaka! Eny, hatolotry ny TOMPO eo an-tananao io tanàna io.
Malagasy Bible 1865
Ary ny mpaminany rehetra naminany toy izao koa hoe: Mandehana ho any Ramota-gileada, dia hambinina ianao; fa hotolotr'i Jehovah eo an-tananao izy, ry mpanjaka.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny mpaminany rehetra koa dia naminany hoe: Mandehana ho any Ramota-Gileada dia hambinina ianao; fa hatolotry NY TOMPO eo an-tananao izy, ry mpanjaka.
malagasy
Ary ny mpaminany rehetra naminany toy izao koa hoe: Mandehana ho any Ramota-gileada, dia hambinina ianao; fa hotolotr'i Jehovah eo an-tananao izy, ry mpanjaka.