2 Chronicles 18:14 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nankany amin’ny mpanjaka izy. Ary hoy ny mpanjaka taminy: Ry Mikaia, handeha hanafika an’i Ramota-Gileada va isika, sa hijanona ihany aho? Ary hoy izy: Mandehana, dia hambinina ianareo, fa hatolotra eo an-tanànareo izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony mby teo amin’ny mpanjaka izy, dia hoy ny mpanjaka taminy: «Ry Mikea, handeha hanafika an’i Ramôta any Galaada va isika, sa tokony hijanona va aho?» Ary hoy ny navaliny: «Miakara ka maharese, fa efa voatolotra eo an-tananareo izy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa tonga teo anatrehan’ny mpanjaka izy, dia nanontaniany hoe: –Ry Mikaià, handeha hanafika an’i Ramôta-Gilehada ve izahay, sa hijanona ihany aho? Ka hoy ny navaliny azy: –Mandehana fa handresy ianareo, ary hatolotry ny Tompo eo an-tananareo io tanàna io.
Malagasy Bible 1865
Dia nankany amin'ny mpanjaka izy. Ary hoy ny mpanjaka taminy: Ry Mikaia, handeha hanafika an'i Ramota-gileada va isika, sa hijanona ihany aho? Ary izy namaly azy hoe: Mandehana, dia hambinina ianareo, fa hatolotra eo an-tananareo izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nankany amin’ny mpanjaka izy. Ary hoy ny mpanjaka taminy: Ry Mikaia, handeha hanafika an’i Ramota-Gileada va isika, sa hijanona ihany aho? Ary hoy izy: Mandehana, dia hambinina ianareo, fa hatolotra eo an-tanànareo izy.
malagasy