2 Chronicles 18:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy i Mikaia: Hitako fa indreny, ny Israely rehetra niely teny an-tendrombohitra toy ny ondry tsy misy mpiandry, ary hoy NY TOMPO: Tsy manan-tompo ireto ka aoka izy samy hody soa amantsara any an-tranony avy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka hoy ny navalin’i Mikea: «Indro i Israely rehetra, hitako miely eny an-tendrombohitra toy ny ondry tsy misy mpiandry, ka hoy i Iaveh: Tsy manan-tompo ireo olona ireo, ka aoka samy hody soa aman-tsara any an-tranony avy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy ny navalin’i Mikaià: –Hitako fa ny tafik’i Israely manontolo dia niely teny an-tendrombohitra toy ny ondry tsy misy mpiandry. Ary ny TOMPO niteny hoe: «Tsy mana-mpifehy intsony ireo miaramila ireo, ka aoka izy samy hody soa aman-tsara any an-tranony avy!»
Malagasy Bible 1865
Dia hoy Mikaia: Hitako fa indreny ny Isiraely rehetra niely teny an-tendrombohitra toy ny ondry tsy misy mpiandry, ary hoy Jehovah: Ireto efa tsy manan-tompo, ka aoka izy samy hody soa aman-tsara any an-tranony avy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy i Mikaia: Hitako fa indreny, ny Israely rehetra niely teny an-tendrombohitra toy ny ondry tsy misy mpiandry, ary hoy NY TOMPO: Tsy manan-tompo ireto ka aoka izy samy hody soa amantsara any an-tranony avy.
malagasy