2 Chronicles 18:2 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa nony ela dia nidina nankany amin’i Ahaba tany Samaria izy. Namono ondry aman’osy sy omby betsaka ho azy sy ho an’ny olona nanaraka azy i Ahaba dia nitaona azy hiakatra ho any Ramota-Gileada.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony afaka taona vitsivitsy, nidina nankany amin’i Akaba tany Samaria izy, ary i Akaba namono ondry sy omby sesehena ho azy sy ny vahoaka nanaraka azy, sy nitaona azy hiakatra ho any Ramôta any Galaada.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Taona vitsivitsy taorian’izany, dia nidina nankany amin’i Ahaba tany Samaria i Jôsafata; ary namonoan’i Ahaba ondry aman’osy sy omby betsaka izy sy ireo olona nanaraka azy. Avy eo dia notaomin’i Ahaba hanafika an’i Ramôta-Gilehada i Jôsafata
Malagasy Bible 1865
Koa nony ela dia nidina nankany amin'i Ahaba tany Samaria izy. Ary Ahaba namono ondry aman'osy sy omby betsaka ho azy sy ho an'ny olona nanaraka azy, dia nitaona azy hiakatra ho any Ramota-gileada.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa nony ela dia nidina nankany amin’i Ahaba tany Samaria izy. Namono ondry aman’osy sy omby betsaka ho azy sy ho an’ny olona nanaraka azy i Ahaba dia nitaona azy hiakatra ho any Ramota-Gileada.
malagasy
Koa nony ela dia nidina nankany amin'i Ahaba tany Samaria izy. Ary Ahaba namono ondry aman'osy sy omby betsaka ho azy sy ho an'ny olona nanaraka azy, dia nitaona azy hiakatra ho any Ramota-gileada.