2 Chronicles 18:29 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy ny mpanjakan’ny Israely tamin’i Josafata: Mody hanao olon-kafa aho ka hitsarapaka any anatin’ny ady, fa ianao kosa dia manaova ny fanamianao ihany. Dia nody olon-kafa ny mpanjakan’ny Israely ka nitsarapaka tany anatin’ny ady.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy ny mpanjakan’i Israely tamin’i Jôsafata: «Izaho hanao fitafiana hafa no mandroso amin’ny ady, fa ianao miakanjoa ny akanjonao ihany.» Dia nanao fitafiana hafa ny mpanjakan’i Israely, dia nandeha ho any amin’ny ady izy ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hoy ny mpanjakan’i Israely tamin’i Jôsafata: –Hody olon-kafa aho, dia hirotsaka an’ady; fa ianao kosa miakanjoa ny fanamianao ihany. Dia nody olon-kafa ny mpanjakan’i Israely sady nirotsaka an’ady.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy ny mpanjakan'ny Isiraely tamin'i Josafata: Hody olon-kafa aho ka hitsarapaka any anatin'ny ady, fa ianao kosa dia miakanjoa ny akanjonao ihany. Dia nody olon-kafa ny mpanjakan'ny Isiraely ka nitsarapata tany anatin'ny ady.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy ny mpanjakan’ny Israely tamin’i Josafata: Mody hanao olon-kafa aho ka hitsarapaka any anatin’ny ady, fa ianao kosa dia manaova ny fanamianao ihany. Dia nody olon-kafa ny mpanjakan’ny Israely ka nitsarapaka tany anatin’ny ady.
malagasy