2 Chronicles 18:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy i Ahaba, mpanjakan’ny Israely, tamin’i Josafata, mpanjakan’ny Joda: Mba hiaraka amiko ho any Ramota-Gileada va ianao? Dia hoy izy taminy: Eny, fa tahaka ny tenanao ihany aho ka ny oloko dia olonao; koa hiaraka aminao ho any an-tafika izahay.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao no nolazain’i Akaba mpanjakan’i Israely, tamin’i Jôsafata, mpanjakan’i Jodà: «Mba hiaraka amiko ho any Ramôta any Galaada va ianao?» Ka hoy ny navalin’i Jôsafata taminy: «Hihatra amiko ny hihatra aminao, ary hanjò ny vahoakako ny hanjò ny vahoakanao, ka hiaraka aminao hanafika azy izahay.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ka nanontaniany hoe: –Mba hiaraka amiko hanafika an’i Ramôta-Gilehada ve ianao? Dia novaliany hoe: –Eny, fa tahaka ny tenanao ihany aho, ka ny tafiko dia tafikao; koa hiaraka hiantafika aminao izahay.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Ahaba, mpanjakan'ny Isiraely, tamin'i Josafata, mpanjakan'ny Joda: Mba hiaraka amiko ho any Ramota-gileada va ianao? Dia hoy izy taminy: Eny fa tahaka ny tenanao ihany aho, ka ny oloko dia olonao; koa hiaraka aminao ho any an-tafika izahay.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy i Ahaba, mpanjakan’ny Israely, tamin’i Josafata, mpanjakan’ny Joda: Mba hiaraka amiko ho any Ramota-Gileada va ianao? Dia hoy izy taminy: Eny, fa tahaka ny tenanao ihany aho ka ny oloko dia olonao; koa hiaraka aminao ho any an-tafika izahay.
malagasy