2 Chronicles 18:30 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa ny mpanjakan’i Arama dia efa nandidy ireo lehiben’ny kalesy fitondrany miady hoe: Aza miady na amin’ny kely na amin’ny lehibe, afa-tsy amin’ny mpanjakan’ny Israely ihany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao no didy efa nomen’ny mpanjakan’i Siria an’ireo komandin’ny an-kalesiny nataony hoe: «Aza misy asianareo na ny kely na ny lehibe, afa-tsy ny mpanjakan’i Israely ihany.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa ny mpanjakan’i Siria kosa efa nanome baiko ireo komandin’ny kalesiny mba tsy hamely miaramila tsotra na mpitari-tafika fa ny mpanjakan’i Israely ihany.
Malagasy Bible 1865
Fa ny mpanjakan'i Syria efa nandidy Ireo komandin'ny kalesiny nanao hoe: Aza miady na amin'ny kely na amin'ny lehibe, afa-tsy amin'ny mpanjakan'ny Isiraely ihany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa ny mpanjakan’i Arama dia efa nandidy ireo lehiben’ny kalesy fitondrany miady hoe: Aza miady na amin’ny kely na amin’ny lehibe, afa-tsy amin’ny mpanjakan’ny Israely ihany.
malagasy
Fa ny mpanjakan'i Syria efa nandidy Ireo komandin'ny kalesiny nanao hoe: Aza miady na amin'ny kely na amin'ny lehibe, afa-tsy amin'ny mpanjakan'ny Isiraely ihany.