2 Chronicles 18:33 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nisy lehilahy iray nandefa anjoanjo zana-tsipìka ka nahavoa ny mpanjakan’ny Israely teo amin’ny fitohizan’ny fiarovan-tratrany; ary hoy izy tamin’ny lehiben’ny kalesiny: Ahodino ny kalesy fitondra miady ka ento miala eto amin’ny mpiady aho fa voa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’izay nisy lehilahy anankiray nandefa zana-tsipìka kitoatoa ka nahavoa ny mpanjakan’i Israely teo anelanelan’ny fikatonan’ny akanjom-piadiany sy ny fiarovan-tratrany. Ka hoy ny mpanjaka tamin’ny mpampandeha ny kalesy: «Ahodino, ka ento miala eto amin’ny tany iadiana aho, fa voa.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary nisy miaramila sirianina anankiray nandefa zana-tsipîka tsy nahy, ka nahavoa ny mpanjakan’i Israely teo anelanelan’ny famavàn’ny akanjo vy fiarovan-tratrany; ka dia hoy ity mpanjaka tamin’ny mpamily ny kalesiny: –Ahodino ny kalesy, ka ento miala ny toeram-piadiana aho fa maratra mafy.
Malagasy Bible 1865
Ary nisy lehilahy anankiray nandefa zana-tsipìka kitoatoa ka nahavoa ny mpanjakan'ny Isiraely teo anelenalen'ny fiarovan-tratrany sy ny eo ambaniny, ka dia hoy izy tamin'ny mpampandeha ny kalesiny: Ahodino, ka ento miala eto amin'ny mpiady aho, fa voa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nisy lehilahy iray nandefa anjoanjo zana-tsipìka ka nahavoa ny mpanjakan’ny Israely teo amin’ny fitohizan’ny fiarovan-tratrany; ary hoy izy tamin’ny lehiben’ny kalesiny: Ahodino ny kalesy fitondra miady ka ento miala eto amin’ny mpiady aho fa voa.
malagasy
Ary nisy lehilahy anankiray nandefa zana-tsipìka kitoatoa ka nahavoa ny mpanjakan'ny Isiraely teo anelenalen'ny fiarovan-tratrany sy ny eo ambaniny, ka dia hoy izy tamin'ny mpampandeha ny kalesiny: Ahodino, ka ento miala eto amin'ny mpiady aho, fa voa.Ary nihamafy ny ady tamin'izany andro izany; ary ny mpanjakan'ny Isiraely nihafy nitsangana teo amin'ny kalesiny tandrifin'ny Syriana mandra-paharivan'ny andro; fa nony efa hilentika ny masoandro, dia maty izy.