2 Chronicles 18:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny mpanjakan’ny Israely dia nanangona ny mpaminany efajato lahy ka niteny taminy hoe: Handeha hanafika an’i Ramota-Gileada va isika, sa hijanona ihany aho? Dia hoy ireo: Mandehana fa hatolotr’Andriamanitra eo an-tananao izy, ry mpanjaka.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nantsoin’ny mpanjakan’i Israely ny mpaminany 400 lahy, ka hoy izy taminy: «Handeha hanafika any Ramôta any Galaada va isika, sa tokony hijanona aho?» Ary hoy ny navalin’ireo: «Mandehana fa hatolotr’Andriamanitra eo an-tanan’ny mpanjaka izany.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ary novorin’ny mpanjakan’i Israely ny mpaminaniny efajato lahy ka nanontaniany hoe: –Handeha hanafika an’i Ramôta-Gilehada ve isika, sa hijanona ihany aho? Dia novalian’ireo hoe: –Mandehana, ry andriamanjaka, fa hatolotr’Andriamanitra eo an-tananao ny tanàna.
Malagasy Bible 1865
Ary ny mpanjakan'ny Isiraely dia nanangona ny mpaminany efajato lahy ka nanao taminy hoe: Handeha hanafika an'i Ramota-gileada va isika, sa hijanona ihany aho? Dia hoy ireo: Mandehana, fa hatolotr'Andriamanitra eo an-tananao izy, ry mpanjaka.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny mpanjakan’ny Israely dia nanangona ny mpaminany efajato lahy ka niteny taminy hoe: Handeha hanafika an’i Ramota-Gileada va isika, sa hijanona ihany aho? Dia hoy ireo: Mandehana fa hatolotr’Andriamanitra eo an-tananao izy, ry mpanjaka.
malagasy