2 Chronicles 18:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy ny mpanjakan’ny Israely tamin’i Josafata: Mbola misy lehilahy iray ihany ahazoantsika manontany amin’NY TOMPO, saingy halako izy, satria tsy mbola naminany soa ho ahy, fa loza ihany mandrakariva; I Mikaia, zanak’i Jimla, no anarany. Dia hoy i Josafata: Aza manao izany, ry mpanjaka.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka hoy ny navalin’ny mpanjakan’i Israely an’i Jôsafata: «Mbola misy olona iray azontsika anontaniana an’i Iaveh, saingy halako izay, satria tsy mba maminany soa ho ahy, fa izao loza lava izao ihany, dia i Mikea zanak’i Jemlà.» Dia hoy i Jôsafata: «Aoka tsy hanao izany intsony ny mpanjaka.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia novalian’ny mpanjakan’i Israely hoe: –Mbola misy lehilahy iray ahazoantsika manontany ny TOMPO ao; saingy halako izy, satria tsy mbola naminany soa ho ahy fa loza mandrakariva. Mikaià, zanakalahin’i Jimlà, no anarany. Ka hoy i Jôsafata: –Aza dia miteny toy izany re ianao, ry mpanjaka!
Malagasy Bible 1865
Dia hoy ny mpanjakan'ny Isiraely tamin'i Josafata: Mbola misy lehilahy iray ihany ahazoantsika manontany amin'i Jehovah, saingy halako izy, satria tsy mbola naminany soa ho ahy izy, fa loza ihany mandrakariva; Mitaia, zanak'i Jimla, no anarany. Dia hoy Josafata: Aza dia manao izany, ry mpanjaka.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy ny mpanjakan’ny Israely tamin’i Josafata: Mbola misy lehilahy iray ihany ahazoantsika manontany amin’NY TOMPO, saingy halako izy, satria tsy mbola naminany soa ho ahy, fa loza ihany mandrakariva; I Mikaia, zanak’i Jimla, no anarany. Dia hoy i Josafata: Aza manao izany, ry mpanjaka.
malagasy