2 Chronicles 18:9 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny mpanjakan’ny Israely sy i Josafata, mpanjakan’ny Joda, dia samy nipetraka teo amin’ny sezafiandrianany avy teo amin’ny famoloana eo anoloan’ny vavahadin’i Samaria sady samy efa niakanjo ny fanamiany avy; ary ny mpaminany rehetra dia naminany teo anatrehany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’izay ny mpanjakan’i Israely sy i Jôsafata mpanjakan’i Jodà, dia samy nipetraka teo amin’ny seza fiandrianany nitondra ny akanjo-mpanjakany, nipetraka teo amin’ny fidiran’ny vavahadin’i Samaria; ary ny mpaminany rehetra, naminany teo anatrehany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary ny mpanjakan’i Israely sy ny mpanjakan’i Joda dia samy nipetraka teo amin’ny sezafiandrianany sy efa niakanjo ny fanamiany avy, teo amin’ilay kianja manoloana ny vavahadin’i Samaria, nandritra ny naminanian’ireo mpaminany rehetra ireo.
Malagasy Bible 1865
Ary ny mpanjakan'ny Isiraely sy Josafata, mpanjakan'ny Joda, samy nipetraka teo amin'ny seza fiandrianany avy teo amin'ny famoloana eo anoloan'ny vavahadin'i Samaria, sady samy efa niakanjo ny akanjony avy; ary ny mpaminany rehetra naminany teo anatrehany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny mpanjakan’ny Israely sy i Josafata, mpanjakan’ny Joda, dia samy nipetraka teo amin’ny sezafiandrianany avy teo amin’ny famoloana eo anoloan’ny vavahadin’i Samaria sady samy efa niakanjo ny fanamiany avy; ary ny mpaminany rehetra dia naminany teo anatrehany.
malagasy