2 Chronicles 19:10 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Na inona na inona ady avy amin’ny rahalahinareo izay monina amin’ny tanànany, na ny amin’ny mahafaty aina, na ny amin’ny hevitry ny lalàna sy ny didy ary ny fitsipika samihafa, dia anaro izy mba tsy ho meloka amin’NY TOMPO, fandrao iharan’ny fahatezerana ianareo sy ny rahalahinareo; izany no ataovy dia tsy ho meloka ianareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Amin’ny ady rehetra entin’ny rahalahinareo monina any an-tanànany avy, ho aminareo, dia ny amin’ny momba ny fanavahana ny vonoana olona samihafa karazana sy ny hoe lalàna, didy, fandaharana, fitsipika no aoka hohazavainareo tsara ny sainy mba tsy hanaovany izay hahameloka azy amin’i Iaveh sy tsy hiharan’ny fahatezerany aminareo sy amin’ny rahalahinareo. Izany no ataovy, dia tsy ho meloka ianareo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Na inona na inona ady avy amin’ny mpiray firenena, any amin’ny tanàna fonenany any momba ny vonoan’olona na momba ny lalàna sy didy amam-pitsipika samy hafa, dia anaro izy; dia tsy ho meloka amin’ny TOMPO ireo, ary tsy hiharan’ny fahatezeran’Andriamanitra ianareo sy ny mpiray firenena aminareo. Izany no ataovy, dia tsy ho meloka ianareo.
Malagasy Bible 1865
Na inona na inona no ady avy amin'ny rahalahinareo izay monina amin'ny tanànany, na ny amin'ny mahafaty aina, na ny amin'ny hevitry ny lalàna sy ny didy ary ny fitsipika samy hafa, dia anaro izy mba tsy ho meloka amin'i Jehovah, fandrao iharan'ny fahatezerana ianareo sy ny rahalahinareo; izany no ataovy, dia tsy ho meloka ianareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Na inona na inona ady avy amin’ny rahalahinareo izay monina amin’ny tanànany, na ny amin’ny mahafaty aina, na ny amin’ny hevitry ny lalàna sy ny didy ary ny fitsipika samihafa, dia anaro izy mba tsy ho meloka amin’NY TOMPO, fandrao iharan’ny fahatezerana ianareo sy ny rahalahinareo; izany no ataovy dia tsy ho meloka ianareo.
malagasy
Na inona na inona no ady avy amin'ny rahalahinareo izay monina amin'ny tanànany, na ny amin'ny mahafaty aina, na ny amin'ny hevitry ny lalàna sy ny didy ary ny fitsipika samy hafa, dia anaro izy mba tsy ho meloka amin'i Jehovah, fandrao iharan'ny fahatezerana ianareo sy ny rahalahinareo; izany no ataovy, dia tsy ho meloka ianareo.Ary, indro, Amaria mpisoronabe no ho lehibenareo amin'ny raharahan'i Jehovah rehetra; ary Zebadia, zanak'Isimaela, mpanapaka ny taranak'i Joda, ho lehibenareo amin'ny raharahan'ny mpanjaka rehetra kosa; ary ny Levita ho mpifehy hanampy anareo. Mahereza, ka mahefà; ary Jehovah anie homba izay tsara.