2 Chronicles 19:11 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary indro, i Amaria mpisoronabe no ho lehibenareo amin’ny raharahan’NY TOMPO rehetra; i Zebadia, zanak’Ismaela, mpifehy ny taranak’i Joda, kosa no ho lehibenareo amin’ny raharahan’ny mpanjaka rehetra; ary ho mpifehy hanampy anareo ny levita. Mahereza ka mahefà, ary NY TOMPO anie homba izay manao ny tsara.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Indro i Amariasa mpisorona lehibe, ho filohanareo amin’ny raharahan’i Iaveh rehetra; ary i Zabadiasa zanak’i Ismaely mpanapaka ny taranak’i Jodà, amin’ny raharahan’ny mpanjaka rehetra; ary ny Levita koa dia ho eo anatrehanareo ho manamboninahitra. Matokia, ataovy ny asa, ary homba anareo anie i Iaveh.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary indro i Amarià mpisorombe no ho lehibenareo amin’ny raharaham-pivavahana rehetra; ary i Zebadià, zanakalahin’i Jismahela sady mpifehy ny taranak’i Joda, no ho lehibenareo amin’ny raharaham-panjakana rehetra. Ny levita no ho mpitantsoratra hanampy anareo. Mahereza, ka mahefà, ary ny TOMPO anie hiaraka amin’izay manao ny tsara!
Malagasy Bible 1865
Ary, indro, Amaria mpisoronabe no ho lehibenareo amin'ny raharahan'i Jehovah rehetra; ary Zebadia, zanak'Isimaela, mpanapaka ny taranak'i Joda, ho lehibenareo amin'ny raharahan'ny mpanjaka rehetra kosa; ary ny Levita ho mpifehy hanampy anareo. Mahereza, ka mahefà; ary Jehovah anie homba izay tsara.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary indro, i Amaria mpisoronabe no ho lehibenareo amin’ny raharahan’NY TOMPO rehetra; i Zebadia, zanak’Ismaela, mpifehy ny taranak’i Joda, kosa no ho lehibenareo amin’ny raharahan’ny mpanjaka rehetra; ary ho mpifehy hanampy anareo ny levita. Mahereza ka mahefà, ary NY TOMPO anie homba izay manao ny tsara.
malagasy