2 Chronicles 19:2 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Niainga hitsena azy i Jeho, zanak’i Hanany mpahita ka niteny tamin’i Josafata mpanjaka hoe: Moa ny ratsy fanahy va no tokony hampiana, ary izay mankahala NY TOMPO va no tokony ho tianao? Koa izany no mahatezitra NY TOMPO aminao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
dia nitsena azy i Jehò, mpahita, zanak’i Hananì, ka hoy izy tamin’i Jôsafata mpanjaka: «Tokony hampiana va ny ratsy fanahy? Ary ny mankahala an’i Iaveh va no tianao? Noho izany dia ao aminao ny fahatezerana avy amin’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Niainga hitsena azy i Jehò mpaminany zanakalahin’i Hananỳ, ka nanao taminy hoe: –Moa ny olon-dratsy ve no tokony hampiana ary izay mpankahala ny TOMPO va no tokony hotiavinao? Noho izany, dia tezitra aminao ny TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Ary nivoaka hitsena azy Jeho, zanak'i Hanany mpahita, ka nanao tamin'i Josafata mpanjaka hoe: Moa ny ratsy fanahy va no tokony hampiana, ary izay mankahala an'i Jehovah va no tokony ho tianao? Koa noho izany dia tezitra aminao Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Niainga hitsena azy i Jeho, zanak’i Hanany mpahita ka niteny tamin’i Josafata mpanjaka hoe: Moa ny ratsy fanahy va no tokony hampiana, ary izay mankahala NY TOMPO va no tokony ho tianao? Koa izany no mahatezitra NY TOMPO aminao.
malagasy