2 Chronicles 19:8 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tany Jerosalema koa no nanendren’i Josafata ny sasany tamin’ny levita sy ny mpisorona ary ny lohan’ny fianakaviana tamin’ny Israely ho amin’ny fitsaran’NY TOMPO sy ny adin’olona, fa efa tafaverina tany Jerosalema izy tamin’izay,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tao Jerosalema koa, rehefa tafaverina tao amin’io tanàna io izy ireo, dia nanendry Levita sy mpisorona ary loham-pianakaviana amin’i Israely, i Jôsafata, ho amin’ny fitsaràn’i Iaveh sy ny adin’olona.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tao Jerosalema koa dia nanendren’i Jôsafata ny sasany tamin’ny levita sy ny mpisorona ary ny filoham-pianakaviana israelita mba hitsara araka ny TOMPO sy handamina ny adin’ny mponina tao an-tanàna.
Malagasy Bible 1865
Ary tany Jerosalema koa no nanendren'i Josafata ny sasany tamin'ny Levita sy ny mpisorona ary ny lohan'ny fianakaviana tamin'ny Isiraely ho amin'ny fitsaran'i Jehovah sy ny adin'olona (fa efa tafaverina tany Jerosalema izy tamin'izay)
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tany Jerosalema koa no nanendren’i Josafata ny sasany tamin’ny levita* sy ny mpisorona ary ny lohan’ny fianakaviana tamin’ny Israely ho amin’ny fitsaran’NY TOMPO sy ny adin’olona, fa efa tafaverina tany Jerosalema izy tamin’izay,
malagasy
Ary tany Jerosalema koa no nanendren'i Josafata ny sasany tamin'ny Levita sy ny mpisorona ary ny lohan'ny fianakaviana tamin'ny Isiraely ho amin'ny fitsaran'i Jehovah sy ny adin'olona (fa efa tafaverina tany Jerosalema izy tamin'izay)