2 Chronicles 2:10 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy i Hirama, mpanjakan’i Tiro, tamin’ny taratasy izay nampanateriny ho any amin’i Solomona: Noho ny fitiavan’NY TOMPO ny olony no nanendreny anao ho mpanjakany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia izao no navalin’i Hirama mpanjakan’i Tira tao amin’ny taratasy nampitondrainy an’i Salômôna: «Noho ny fitiavan’i Iaveh ny vahoakany no nananganany anao ho mpanjakany.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy i Hirama, mpanjakan’i Tiro, tamin’ny taratasy nalefany ho an’i Salômôna: «Fitiavan’ny TOMPO ny vahoakany no nanendreny anao ho mpanjakany.»
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Hirama, mpanjakan'i Tyro, tamin'ny taratasy izay nampanateriny ho any amin'i Solomona: Noho ny fitiavan'i Jehovah ny olony no nanendreny anao ho mpanjakany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy i Hirama, mpanjakan’i Tiro, tamin’ny taratasy izay nampanateriny ho any amin’i Solomona: Noho ny fitiavan’NY TOMPO ny olony no nanendreny anao ho mpanjakany.
malagasy
Ary hoy Hirama, mpanjakan'i Tyro, tamin'ny taratasy izay nampanateriny ho any amin'i Solomona: Noho ny fitiavan'i Jehovah ny olony no nanendreny anao ho mpanjakany.