2 Chronicles 2:13 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
zanaky ny vehivavy danita sy ny lehilahy tiriana. Izy dia mahay miasa volamena, volafotsy, varahina, vy, vato, hazo, kofehy volomparasy sy manga ary rongony fotsy madinika sy jaky; ary mahay misokitra sary samihafa sy mahay mamolavola asa kanto koa izy ka hiara-miasa amin’ny olon-kendrinao sy ny olon-kendrin’i Davida tompoko, rainao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
zanaky ny vehivavy taranak’i Dàna sy ny lehilahy Tirianina, mahay miasa volamena amam-bolafotsy, sy varahina amam-by, ary vato aman-kazo, jaky mena, jaky volomparasy, lamba mena antitra, rongony madinika, mahay sary sokirina isan-karazany, mahavita zavatra araka izay marika aseho azy, na inona na inona, hiara-kiasa amin’ireo olo-mahay zavatra atỳ aminao, mbamin’ireo olo-mahay zavatra tamin’i Davida tompoko rainao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
zanaky ny vehivavy danita sy lehilahy tirianina. Izy io dia mahay miasa volamena sy volafotsy, halimo sy vy ary koa vato sy hazo, mahay mamboatra lamba jaky sy volomparasy ary menamena sy lamba rongony fotsy, mahay ny karazan’asa sokitra rehetra sady mahay mamolavola tetikasa amin’ny zavatra rehetra asaina ataony; ka dia hiara-miasa amin’ny mpahaikanto anananao sy nananan’itompokolahy Davida rainao izy.
Malagasy Bible 1865
zanaky ny vehivavy Danita sy ny lehilahy Tyriana. Ary izy dia mahay miasa volamena sy volafotsy sy varahina sy vy sy vato sy hazo sy volomparasy sy manga sy rongony fotsy madinika ary jaky; ary mahay misokitra manao sarin-javatra samy hafa sy mahay manao marika amin'izay asa rehetra asaina ataony, ka dia hiara-manao amin'ny olon-kendrinao sy ny olon-kendrin'itompokolahy Davida rainao Izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
zanaky ny vehivavy danita sy ny lehilahy tiriana. Izy dia mahay miasa volamena, volafotsy, varahina, vy, vato, hazo, kofehy volomparasy sy manga ary rongony fotsy madinika sy jaky; ary mahay misokitra sary samihafa sy mahay mamolavola asa kanto koa izy ka hiara-miasa amin’ny olon-kendrinao sy ny olon-kendrin’i Davida tompoko, rainao.
malagasy