2 Chronicles 2:16 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nanisa ny lehilahy hafa firenena rehetra izay nonina tamin’ny tanin’ny Israely araka ny nanisan’i Davida rainy azy i Solomona, ary ny isany dia eninjato sy telo arivo sy dimy alina sy iray hetsy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary nisain’i Salômôna araka ny nanisan’i Davida rainy azy, ny lehilahy hafa firenena rehetra teo amin’ny tanin’i Israely: dia nisy 153.600 ny isany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nisain’i Salômôna avokoa ny lehilahy hafa firenena izay nonina tao amin’ny tanin’i Israely; araka ny nanisan’i Davida rainy azy, dia nisy 153 000 izy ireo.
Malagasy Bible 1865
Ary Solomona nanisa ny lehilahy hafa firenena rehetra izay nonina tamin'ny tanin'ny Isiraely araka ny nanisan'i Davida rainy Lzy, ary ny isany dia enin-jato amby telo arivo amby dimy alina sy iray hetsy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nanisa ny lehilahy hafa firenena rehetra izay nonina tamin’ny tanin’ny Israely araka ny nanisan’i Davida rainy azy i Solomona, ary ny isany dia eninjato sy telo arivo sy dimy alina sy iray hetsy.
malagasy
Ary Solomona nanisa ny lehilahy hafa firenena rehetra izay nonina tamin'ny tanin'ny Isiraely araka ny nanisan'i Davida rainy Lzy, ary ny isany dia enin-jato amby telo arivo amby dimy alina sy iray hetsy.Ary ny fito alina tamin'ireo dia nataony mpitondra entana, ary ny valo alina nataony mpikapa hazo eny an-tendrombohitra, ary ny enin-jato amby telo arivo nataony mpifehy hampiasa ny olona.