2 Chronicles 2:3 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
indro, hanorina trano ho an’ny anaran’NY TOMPO Andriamanitro izay hohamasinina ho Azy aho, handoroana ditin-kazo manitra eo anatrehany sy hasiana ny mofo atao fanatitra ary handoroana ny fanatitra isa-maraina sy isan-kariva ary amin’ny Sabata sy ny voaloham-bolana ary amin’ny fotoam-pivavahana voatendrin’NY TOMPO Andriamanitray; ho adidy maharitra ho an’ny Israely izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa indro aho manangana trano ho an’ny Anaran’i Iaveh Andriamanitrao, izay hohamasiniko ho Azy, mba handoroana zava-manitra tsara fofona eo anatrehany, hasiana ny mofo apetraka tsy tapaka, hanolorana ny sorona dorana ny maraina sy ny hariva, sy amin’ny sabata, ny voalohan’ny volana, ny fetin’i Iaveh Andriamanitray, araka ny lalàna voadidy harahin’i Israely mandrakizay.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa indro aho efa hanao trano ho voninahitry ny TOMPO Andriamanitro, dia trano izay hatokako ho Azy; ao no handoroana vovo-javamanitra eo anatrehan’ny Tompo sy hasiana ny mofo apetraka tsy tapaka ary hanolorana sorona dorana manontolo, dia ny sorona dorana manontolo isa-maraina sy isan-kariva ary koa izay fanao amin’ny sabata sy amin’ny voaloham-bolana ary amin’ny fetin’ny TOMPO Andriamanitray; ho fepetra raikitra ho an’ny Israelita izany.
Malagasy Bible 1865
indro, izaho efa efa hanao trano ho an'ny anaran'i Jehovah Andriamanitro izay hohamasinina ho Azy ka handoroana ditin-kazo mani-pofona eo anatrehany sy hasiana ny mofo aseho mandrakariva ary handoroana ny fanatitra isa-maraina sy Isan-kariva ary amin'ny Sabata sy ny voaloham-bolana ary amin'ny fotoam-pivavahina voatendrin'i Jehovah Andriamanitray; ho adidin'ny Isiraely mandrakizay izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
indro, hanorina trano ho an’ny anaran’NY TOMPO Andriamanitro izay hohamasinina ho Azy aho, handoroana ditin-kazo manitra eo anatrehany sy hasiana ny mofo atao fanatitra ary handoroana ny fanatitra isa-maraina sy isan-kariva ary amin’ny Sabata sy ny voaloham-bolana ary amin’ny fotoam-pivavahana voatendrin’NY TOMPO Andriamanitray; ho adidy maharitra ho an’ny Israely izany.
malagasy