2 Chronicles 2:9 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary indro, homeko varimbazaha voafotsy sy varimbazaha roa alina kora avy ary divay sy diloilo roa alina bata avy ny vahoakanao mpikapa hazo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary indro fa izao no homeko ho sakafon’ny mpanomponao mpikapa hazo, izay hikapa ny hazo: varimbazaha 20.000 kora, orja 20.000 kora, divay 20.000 bata, diloilo 20.000 bata.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa indro aho hanome varimbazaha sy vary ôrza samy enina arivo taonina ary koa divay sy menaka samy 800 000 litatra avy, ho sakafon’ireo mpiasanao mpikapa hazo.»
Malagasy Bible 1865
Ary, indro, homeko vary tritika voafotsy sy vary hordea roa alina kora avy ary divay sy diloilo roa alina bata avy ny vahoakanao mpikapa hazo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary indro, homeko varimbazaha voafotsy sy varimbazaha roa alina kora* avy ary divay sy diloilo roa alina bata* avy ny vahoakanao mpikapa hazo.
malagasy
Ary, indro, homeko vary tritika voafotsy sy vary hordea roa alina kora avy ary divay sy diloilo roa alina bata avy ny vahoakanao mpikapa hazo.