2 Chronicles 20:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony afaka izany dia avy hiady amin’i Josafata ny taranak’i Moaba sy ny taranak’i Amona mbamin’ny Meonita.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tatỳ aorian’izay, dia tamy ny taranak’i Moaba sy ny taranak’i Amôna, ary nisy Amônita niaraka taminy, hamely an’i Jôsafata dia hiady aminy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Taorian’izay, dia avy hiady tamin’i Jôsafata ny Môabita sy ny Hamônita mbamin’ny Mehonita sasany.
Malagasy Bible 1865
Ary nony afaka izany, dia avy hiady tamin'i Josafata ny taranak'i Moaba sy ny taranak'i Amona mbamin'ny any ankoatry ny Amonita.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony afaka izany dia avy hiady amin’i Josafata ny taranak’i Moaba sy ny taranak’i Amona mbamin’ny Meonita.
malagasy
[Ny nandehanan'ny Moabita sy ny namany hiady tamin'ny Joda, ary ny vavaka nataon'i Josafata, sy ny namonjen'Andriamanitra azy] Ary nony afaka izany, dia avy hiady tamin'i Josafata ny taranak'i Moaba sy ny taranak'i Amona mbamin'ny any ankoatry ny Amonita.[Na: mbamin'ny Meonita; izahao xxxvi. 7]