2 Chronicles 20:17 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tsy ianareo anefa no hiady any; mijoroa tsara fa ho hitanareo ny hamonjen’NY TOMPO anareo, ry Joda sy Jerosalema. Aza matahotra na mivadi-po, fa rahampitso dia mivoaha hiady aminy; fa NY TOMPO no momba anareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsy hisy tokony hiadianareo akory amin’ity, fa tongava dia mijanòna eo, fa ho hitanareo ny famonjena hataon’i Iaveh anareo, ry Jodà sy i Jerosalema. Aza matahotra na manam-badi-po; mivoaha ianareo rahampitso hitsena an’ireo, fa homba anareo i Iaveh.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ry mponin’i Joda sy i Jerosalema, tsy ianareo anefa no hiady amin’ity; mijanòna tsara fotsiny, fa ho hitanareo ny hamonjen’ny TOMPO anareo. Aza matahotra na mivadi-po; rahampitso dia miaingà hifanehatra amin’io tafika io, fa ny TOMPO no hiaraka aminareo.»
Malagasy Bible 1865
Tsy ianareo anefa no hiady amin'ity; mijanòna tsara, fa ho hitanareo ny hamonjen'i Jehovah anareo, ry Joda sy Jerosalema. Aza matahotra na mivadi-po, fa rahampitso dia mivoaha hiady aminy; fa Jehovah no momba anareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tsy ianareo anefa no hiady any; mijoroa tsara fa ho hitanareo ny hamonjen’NY TOMPO anareo, ry Joda sy Jerosalema. Aza matahotra na mivadi-po, fa rahampitso dia mivoaha hiady aminy; fa NY TOMPO no momba anareo.
malagasy