2 Chronicles 20:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nisy tonga ka nanambara tamin’i Josafata hoe: Indreo, misy olona betsaka avy any andafin’ny ranomasina, dia avy any Arama, ho avy hiady aminao; indreo, ao Hazezona-Tamara, na Eny-Gedỳ izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka nisy tonga nilaza tamin’i Jôsafata hoe: «Misy vahoaka be tamy hiady aminao, avy any an-dafin’ny ranomasina izy ireo, avy any Siria, ary efa mby ao Asasôna-Tamara, izany hoe Engadi izy izao.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary nisy olona tonga nanambara tamin’i Jôsafata hoe: –Indreo misy tafika goavana avy any atsinanan’ny Ranomasina Maty sy avy any amin’ny faritr’i Edôma ho tonga hiady aminao; ary indreo izy ao Hatsetsôna-Tamara, izany hoe Haîna-Gedỳ.
Malagasy Bible 1865
Ary nisy tonga ka nanambara tamin'i Josafata hoe: Indreo, misy olona betsaka avy any an-dafin'ny ranomasina, dia avy any Syria, ho avy hiady aminao; ary indreo izy ao Hazezon-tamara (Enjedy izany).
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nisy tonga ka nanambara tamin’i Josafata hoe: Indreo, misy olona betsaka avy any andafin’ny ranomasina, dia avy any Arama, ho avy hiady aminao; indreo, ao Hazezona-Tamara, na Eny-Gedỳ izy.
malagasy
Ary nisy tonga ka nanambara tamin'i Josafata hoe: Indreo, misy olona betsaka avy any an-dafin'ny ranomasina, dia avy any Syria, ho avy hiady aminao; ary indreo izy ao Hazezon-tamara (Enjedy izany).