2 Chronicles 20:21 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa niara-nihevitra tamin’ny olona izy dia nanendry mpihira ho an’NY TOMPO hidera Azy amin’ny fihaingoana masina raha mandeha eo anatrehan’ny olona efa voaomana hiady izy ireo ka izao no holazainy: Miderà NY TOMPO, fa mandrakizay ny famindrampony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha efa izany, dia niara-nihevitra tamin’ny vahoaka izy, ka nanendry mpihira, hiakanjo fanamiana masina, handeha eo alohan’ny tafika, hankalaza an’i Iaveh amin’ny teny hoe: «Miderà an’i Iaveh fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony!»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa niara-nidinika tamin’ny vahoaka i Jôsafata, dia nanendry mpihira hialoha ny tafika, ka hanao fanamiana masina sady hidera ny TOMPO hanao hoe: «Miderà ny TOMPO ianareo; eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany!»
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa niara-nihevitra tamin'ny olona izy, dia nanendry mpihira ho an'i Jehovah hidera amin'ny fihaingoana masina, raha mivoaka eo anoloan'ny olona efa voaomana hiady, ka hanao hoe: Miderà an'i Jehovah, fa mandrakizay ny famindram-pony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa niara-nihevitra tamin’ny olona izy dia nanendry mpihira ho an’NY TOMPO hidera Azy amin’ny fihaingoana masina raha mandeha eo anatrehan’ny olona efa voaomana hiady izy ireo ka izao no holazainy: Miderà NY TOMPO, fa mandrakizay ny famindrampony.
malagasy