2 Chronicles 20:22 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha vao nanomboka nihoby sy nidera ireo dia nanaovan’NY TOMPO vela-pandrika ny taranak’i Amona sy i Moaba sy ny avy any an-tendrombohitra Seìra izay avy hamely ny Joda ka resy ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Vao nanomboka ny hira amam-piderana dia namela-pandrika i Iaveh, hahavoa ny taranak’i Amôna sy i Moaba, mbamin-dry zareo avy any an-tendrombohitra Seira, izay tonga hamely an’i Jodà, ka resy izy ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha vao nanomboka nihoby sy nidera ireo mpihira, dia nataon’ny Tompo nisy fifanjevoana teo amin’ny Hamônita sy Môabita ary Edômita izay tonga hanafika ny Jodeanina, ka dia nifamely ireo.
Malagasy Bible 1865
Ary raha vao nanomboka nihoby sy nidera ireo, dia nasian'i Jehovah otrika hamely ny taranak'i Amona sy Moaba sy ny avy any an-tendrombohitra Seira, izay avy hamely ny Joda, ka dia resy ireo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha vao nanomboka nihoby sy nidera ireo dia nanaovan’NY TOMPO vela-pandrika ny taranak’i Amona sy i Moaba sy ny avy any an-tendrombohitra Seìra izay avy hamely ny Joda ka resy ireo.
malagasy
Ary raha vao nanomboka nihoby sy nidera ireo, dia nasian'i Jehovah otrika hamely ny taranak'i Amona sy Moaba sy ny avy any an-tendrombohitra Seira, izay avy hamely ny Joda, ka dia resy ireo.