2 Chronicles 20:25 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary avy hamabo azy i Josafata sy ny vahoakany, dia nahita harena betsaka sy fitafiana ary fanaka sarobidy teo izy ka namabo mihoatra noho izay zakany hoentina; hateloana no nanangonany ny babo fa be dia be tokoa ireny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nandeha i Jôsafata sy ny vahoakany haka babo tamin’ireo, ka harem-be vava no hitany teo, dia faty sy fanaka sarobidy; ka be dia be no nalainy ho azy, ka tsy zakany nentina aza, ka hateloana izy nanangona ny babo teo ihany fa be tokoa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nandeha nandroba azy i Jôsafata sy ny vahoakany, ka betsaka tokoa ny biby fiompy sy harena ary fitafiana sy fanaka sarobidy hitany. Be loatra ny remby ka na dia nandany telo andro hanangonana aza izy ireo, dia tsy nahazaka azy rehetra.
Malagasy Bible 1865
Ary avy hamabo azy Josafata sy ny vahoakany, dia nahita harena betsaka sy faty ary fanaka sarobidy teo izy, ka dia namabo mihoatra noho izay zakany ho entina; ary hateloana no nanangonany ny babo, fa be dia be ireny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary avy hamabo azy i Josafata sy ny vahoakany, dia nahita harena betsaka sy fitafiana ary fanaka sarobidy teo izy ka namabo mihoatra noho izay zakany hoentina; hateloana no nanangonany ny babo fa be dia be tokoa ireny.
malagasy
Ary avy hamabo azy Josafata sy ny vahoakany, dia nahita harena betsaka sy faty ary fanaka sarobidy teo izy, ka dia namabo mihoatra noho izay zakany ho entina; ary hateloana no nanangonany ny babo, fa be dia be ireny. [Na: fitafiana]