2 Chronicles 20:26 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’ny andro fahefatra dia nivory tao amin’ny lohasaha Beraka izy fa tany no nisaorany NY TOMPO; koa izay no nanaovany izany toerana izany hoe lohasaha Beraka mandraka androany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony tamin’ny andro fahefatra, nivory teo amin’ny lohasaha Berakà izy, fa nisaotra an’i Iaveh teo; izany no nanaovany an’io lohasaha io hoe i Berakà mandrak’androany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’ny andro fahefatra dia nivory tao amin’ny Lohasaha Berakà izy. Tao no nisaorany ny TOMPO, ka izany no niantsoana io toerana io hoe Lohasaha Berakà mandraka androany.
Malagasy Bible 1865
Ary tamin'ny andro fahefatra dia nivory tao amin'ny lohasaha Beraka izy, fa tany no nisaorany an'i Jehovah; koa izany no nanaovany izany tany izany hoe Lohasaha Beraka mandraka androany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’ny andro fahefatra dia nivory tao amin’ny lohasaha Beraka izy fa tany no nisaorany NY TOMPO; koa izay no nanaovany izany toerana izany hoe lohasaha Beraka mandraka androany.
malagasy
Ary tamin'ny andro fahefatra dia nivory tao amin'ny lohasaha Beraka izy, fa tany no nisaorany an'i Jehovah; koa izany no nanaovany izany tany izany hoe Lohasaha Beraka mandraka androany.[Beraka = Fisaorana]