2 Chronicles 20:31 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nanjaka tamin’ny Joda i Josafata; dimy amby telopolo taona izy raha nanomboka nanjaka, ary dimy amby roapolo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran’ny reniny dia Azoba, zanakavavin’i Sily.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tonga mpanjaka tamin’i Jodà i Jôsafata. 35 taona izy fony vao nanjaka tao Jerosalema. I Azobà zanaka vavin’i Selahì no anaran-dreniny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nanjaka tamin’i Joda i Jôsafata; feno 35 taona izy fony tonga mpanjaka, ary naharitra 25 taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia i Hazobà zanakavavin’i Silehỳ.
Malagasy Bible 1865
Ary Josafata nanjaka tamin'ny Joda; dimy amby telo-polo taona izy, fony vao nanjaka, ary dimy amby roa-polo taona no nanjakany tany Jerosalema, Ary ny anaran-dreniny dia Azoba, zanakavavin'i Sily.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nanjaka tamin’ny Joda i Josafata; dimy amby telopolo taona izy raha nanomboka nanjaka, ary dimy amby roapolo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran’ny reniny dia Azoba, zanakavavin’i Sily.
malagasy
[Filazana fohifohy ny amin'ny nanjakan'i Josafata] Ary Josafata nanjaka tamin'ny Joda; dimy amby telo-polo taona izy, fony vao nanjaka, ary dimy amby roa-polo taona no nanjakany tany Jerosalema, Ary ny anaran-dreniny dia Azoba, zanakavavin'i Sily.