2 Chronicles 20:34 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny tantaran’i Josafata sisa, hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany dia indro, voasoratra ao amin’ny tenin’i Jeho, zanak’i Hanany, izay nakambana ao amin’ny bokin’ny mpanjakan’ny Israely, izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny sisa tamin’ny asan’i Jôsafata, ny voalohany sy ny farany, dia indro fa efa voasoratra ao amin’ny Tenin’i Jehò, zanak’i Hananì, ka efa voatafiditra ao amin’ny bokin’ny mpanjakan’i Israely.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny sisa amin’ny tantaran’i Jôsafata, na tamboalohany na tafara, dia voasoratra ao amin’ny boky milohateny hoe Asan’i Jehò zanakalahin’i Hananỳ, izay nakambana tamin’ny Bokin’ireo mpanjakan’i Israely.
Malagasy Bible 1865
Ary ny tantaran'i Josafata sisa, na ny voalohany na ny farany, indro, efa voasoratra ao amin'ny tenin'i Jeho, zanak'i Hanany, izay nakambana ao amin'ny bokin'ny mpanjakan'ny Isiraely, izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Ary ny tantaran'i Josafata sisa, na ny voalohany na ny farany, indro, efa voasoratra ao amin'ny tenin'i Jeho, zanak'i Hanany, izay nakambana ao amin'ny bokin'ny mpanjakan'ny Isiraely, izany.