2 Chronicles 20:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ka niteny hoe: RY TOMPO, Andriamanitry ny razanay ô, tsy Ianao va no Andriamanitra any an-danitra? Eny, Ianao no manapaka amin’ny fanjakan’ny Jentilisa rehetra, ary eo an-tananao ny hery sy ny fahefana ka tsy misy mahasakana Anao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Ry Iaveh Andriamanitry ny razanay ô, moa tsy Andriamanitra any an-danitra va Ianao? Ary moa tsy manapaka ny fanjakana rehetra amin’ny firenena, ary moa tsy eo an-tananao va ny hery amam-pahefana, ka tsy misy hahatohitra Anao?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ka nivavaka nanao hoe: –Ry TOMPO Andriamanitry ny razanay ô, Ianao tokoa no Andriamanitra any an- danitra. Ianao no mifehy ny fanjakana rehetra eo amin’ny firenena isan-tokony, ary eo an-tananao ny hery amam-pahefana ka tsy misy mahatohitra Anao.
Malagasy Bible 1865
ka nanao hoe: Ry Jehovah ô, Andriamanitry ny razanay, tsy Hianao va no Andriamanitra any an-danitra? Eny, Hianao no manapaka amin'ny fanjakan'ny jentilisa rehetra, ary eo an-tananao ny hery sy ny fahefana, ka tsy misy mahasakana Anao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ka niteny hoe: RY TOMPO, Andriamanitry ny razanay ô, tsy Ianao va no Andriamanitra any an-danitra? Eny, Ianao no manapaka amin’ny fanjakan’ny Jentilisa* rehetra, ary eo an-tananao ny hery sy ny fahefana ka tsy misy mahasakana Anao.
malagasy
ka nanao hoe: Ry Jehovah ô, Andriamanitry ny razanay, tsy Hianao va no Andriamanitra any an-danitra? Eny, Hianao no manapaka amin'ny fanjakan'ny jentilisa rehetra, ary eo an-tananao ny hery sy ny fahefana, ka tsy misy mahasakana Anao.