2 Chronicles 20:9 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha manjo anay ny loza, na sabatra, na famaliana, na areti-mandringana, na mosary, ary hitsangana manatrika ity trano ity sy eto anatrehanao izahay, fa ny anaranao no amin’ity trano ity, koa raha hitaraina aminao amin’ny fahorianay izahay dia hihaino Ianao ka hamonjy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha avy izay loza hanjò na ny sabatry ny fitsarana, na pesta, na mosary, dia hitsangana eo anatrehan’ity trano ity sy eo anatrehanao izahay, fa ao amin’ity trano ity ny Anaranao, dia hiantso Anao izahay ao afovoan’ny loza manjò anay, dia hihaino Ianao ary hamonjy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Raha manjo anay ny loza, na ady na famaizana na areti-mandringana na mosary, ka hijoro manatrika ity tempoly ity izahay, fa ny anaranao no amin’ity trano ity, ary hiantso vonjy aminao noho ny fahorianay, dia hihaino Ianao ka hamonjy.»
Malagasy Bible 1865
Raha manjo anay ny loza, na sabatra, na famaliana, na areti-mandringana, na mosary, ary hitsangana manatrika ity trano ity sy eto anatrehanao izahay (fa ny anaranao no amin'ity trano ity) ka hitaraina aminao amin'ny fahorianay, dia hihaino Hianao ka hamonjy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha manjo anay ny loza, na sabatra, na famaliana, na areti-mandringana, na mosary, ary hitsangana manatrika ity trano ity sy eto anatrehanao izahay, fa ny anaranao no amin’ity trano ity, koa raha hitaraina aminao amin’ny fahorianay izahay dia hihaino Ianao ka hamonjy.
malagasy