2 Chronicles 21:10 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nefa ny Edomita dia mbola nikomy ka tsy nanoa ny Joda mandraka androany. Tamin’izany andro izany koa dia nikomy tsy nety nanoa an’i Jehorama i Libna, satria efa nahafoy NY TOMPO, Andriamanitry ny razany, izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nitsoaka tamin’ny fanapahan’i Jodà anefa i Edôma mandrak’androany. I Lobnà koa nitsoaka tamin’ny fanapahany, tamin’izany fotoana izany ihany, noho izy efa nahafoy an’i Iaveh Andriamanitry ny razany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hatreo dia nizaka tena sady nanohitra ny fahefana jodeanina ny Edômita mandraka androany. Tamin’izay fotoana izay koa ny tanànan’i Libnà no nikomy nanohitra ny fahefàn’i Jôrama, satria efa nandao ny TOMPO Andriamanitry ny razany izy.
Malagasy Bible 1865
Nefa ny Edomita mbola niodina ka tsy nanoa ny Joda ihany ambaraka androany. Ary tamin'izany andro izany Libna koa niodina tsy nety nanoa an'i Jehorama, satria efa nahafoy an'i Jehovah, Andriamanitra ny razany, izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nefa ny Edomita dia mbola nikomy ka tsy nanoa ny Joda mandraka androany. Tamin’izany andro izany koa dia nikomy tsy nety nanoa an’i Jehorama i Libna, satria efa nahafoy NY TOMPO, Andriamanitry ny razany, izy.
malagasy