2 Chronicles 21:19 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Afaka elaela, izany hoe roa taona, dia nivoaka tsikelikely ny tsinainy noho ny aretiny; koa maty tamin’ny fangirifiriana mafy izy. Ary ny vahoakany dia tsy mba nandoro zavatra ho fisaonana azy toy ny nataony tamin’ny razany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nifandimby ny andro ka tamin’ny faran’ny taona faharoa, nivoaka ny tsinain’i Jôrama noho ny hamafin’ny aretina, dia maty tamim-pangirifiriana mafy izy, ary tsy mba nandoroan’ny vahoaka zava-manitra ho fanajana azy, toy ny nandoroany an’izany ho an’ny razany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa ela ny ela, nony afaka roa taona, dia niloatra nihahaka ny tsinainy noho ny fiantraikan’ilay aretina; ka maty tamin’ny fangirifiriana mafy i Jôrama. Ary ny vahoakany tsy mba nandoro vovo-javamanitra ho fisaonana azy toy ny natao tamin’ireo razany.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa ela, nony afaka roa taona, dia nialàla ny tsinainy azon'ny aretiny; ka dia maty tamin'ny fangirifiriana mafy izy. Ary ny vahoakany tsy mba nandoro zavatra ho fisaonana azy toy ny nataony tamin'ny razany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Afaka elaela, izany hoe roa taona, dia nivoaka tsikelikely ny tsinainy noho ny aretiny; koa maty tamin’ny fangirifiriana mafy izy. Ary ny vahoakany dia tsy mba nandoro zavatra ho fisaonana azy toy ny nataony tamin’ny razany.
malagasy
Ary rehefa ela, nony afaka roa taona, dia nialàla ny tsinainy azon'ny aretiny; ka dia maty tamin'ny fangirifiriana mafy izy. Ary ny vahoakany tsy mba nandoro zavatra ho fisaonana azy toy ny nataony tamin'ny razany.Roa amby telo-polo taona izy, fony vao nanjaka, ary valo taona no nanjakany tany Jerosalema; koa lasa tsy nisy nalahelo azy izy. Ary nalevina tao an-Tanànan'i Davida ihany izy, nefa tsy mba tao amin'ny fasan'ny mpanjaka.