2 Chronicles 21:9 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia niainga i Jehorama sy ireo mpanapaka sy ny kalesy fitondrany miady rehetra; ary nanaovany latsaka alina ny Edomita izay nanodidina azy sy ny komandin’ny kalesy fitondra miady.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia niainga i Jôrama nomban’ireo lehibe aman-kalesiny rehetra, ka nifoha mbola alina izy, dia nandresy ny Edômita nanodidina azy mbamin’ny lehiben’ny kalesy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Niainga manko i Jôrama sy ireo manamboninahiny ary ny kalesiny rehetra; nony voahodidin’ny Edômita ny tenany mbamin’ireo komandin-kalesiny, dia voatery nitsoaka nanao latsaka alina tamin’ny Edômita.
Malagasy Bible 1865
Ka dia nivoaka Jehorama sy ireo mpanjaka nitondra ny kalesiny rehetra; ary nanaovany latsak'alina ny Edomita izay nanodidina azy sy ny komandin'ny kalesy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia niainga i Jehorama sy ireo mpanapaka sy ny kalesy fitondrany miady rehetra; ary nanaovany latsaka alina ny Edomita izay nanodidina azy sy ny komandin’ny kalesy fitondra miady.
malagasy
Ka dia nivoaka Jehorama sy ireo mpanjaka nitondra ny kalesiny rehetra; ary nanaovany latsak'alina ny Edomita izay nanodidina azy sy ny komandin'ny kalesy.